Kristianisma eto Madagasikara

Fiangonana katôlika ao Antsirabe

Ny kristianisma eto Madagasikara dia iray amin' ireo fivavahana arahin' ny mponin' i Madagasikara, indrindra ny Malagasy, ankoatry ny fivavahan-drazana sy ny finoana silamo sy ny hafa koa. Ny 41 %n' ny Malagasy dia Kristiana, araka ny tatitry ny US Departement of State tamin' ny taona 2011[1]. Hita ao ny sampan' ny fivavahana kristiana toy ny Fiangonana nohavaozina sy ny Fiangonana loterana sy ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana adventista sy ireo Fiangonana evanjelika tsy mitsaha-mihamaro. Miezaka ny hampitombo isa ny fiangonany ny Ôrtôdôksa sy ny Anglikana sy ny hafa koa. Tamin' ny taona 1963 hatramin' ny 2004 dia niisa 72 ny "fikambanana ara-pinoana" voasoratra ao amin' ny lisitra ôfisialy tanan' ny fanjakana malagasy[2]. Manodidina ny 200 any ho any ny isan' ny karazam-piangonana eto Madagasikara tamin' ny taona 2020, ka ny ankamaroan' ireo dia fiangonana vao niorina taty afara, dia ireo fiangonana evanjelika na ara-pilazantsara sy pentekôtista.

  1. Bureau of African Affairs (3 May 2011). "Archived Septambra 2, 2011 at the Wayback Machine". U.S. Department of State. (tahiry 24/08/2011).
  2. Sophie Blanchy, Jean-Aimé Rakotoarisoa, Philippe Beaujar, Chantal Radimilahy (dir.), Les dieus au service du peuple, 2006, p.92.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search